-Notanterahina nanomboka ny 30 Martsa 2026, nanomboka tamin’ny 4 ora hariva, ny hetsika fidinana ifotony nataon’ny Polisimpirenena miasa ao Antsirabe, izay nifantoka tamin’ny fanentanana ireo mpampiasa ny lalam-bahoaka rehetra, indrindra fa ireo mpitondra posy sy ireo fiara fitateram-bahoaka mifamezivezy.
-Ity hetsika ity dia tafiditra anatin’ny fanamafisana ny paikady natao hisorohana ireo trangana lozam-pifamoivoizana amin’izao fotoam-pankalazàna ny Paska izao, izay mahabe ny mpivezivezy amin’ny fitaovam-pitaterana samihafa ao an-tampon-tananan’Antsirabe.
– Nampahatsiahivina an’ireo mpampiasa lalana ny fanajàna ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana sy ny fitandremana mba hisorohana ny loza sy hiantohana ny filaminana eny an-dalana.
– Antoka iray mba hampirindra ny fifamoivoizana ihany koa ny fahaizana manaja ny hafa sy ny fandeferena, izay ahafahana misoroka loza marobe.

DRSP VAKINANKARATRA : NANENTANANA AN’IREO MPAMPIASA LALANA AO ANTSIRABE AN-TAMPONTANANA AMIN’NY FITANDREMANA SY FANAJANA NY LALANA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA.

Vous pourrez aussi aimer