-Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
-Olona roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny fidorohana sy fivarotana zava-mahadomelina (SCLASSP), noho ny fitazonana sy fivarotana rongony mahery vaika, métamphetamine tao Andravoahangy ny, Talata 31 Martsa 2026.
-Vaovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra azy roalahy mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika ireto.
Tratra ambodiomby teo am-pivarotana ireto zava-mahadomelina izy ireo ary mbola nisy fonosana maromaro ho amidy tany aminy.
-Efa eo am-pelatanan’ny Polisy ireo voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana rehetra.
-Miaro ny tanora malagasy amin’ny fanapoizinana amin’itony zava-mahadomelina itony ny Polisimpirenena. Mankasitraka ny olona tsara sitra-po manome vaovao ahafahana misambotra ireo mamosavy ny taranaka malagasy ireo, ny Polisy dia mitazona ho tsiambaratelo ny mpanome vaovao.

 

ANDRAVOAHANGY : LEHILAHY ROA MPIVAROTRA METAMPHETAMINE VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer