-Polisimpirenena miisa 7261 no hahetsika manerana an’i Madagasikara, hitandro ny filaminana mandritra ny fetin’ny Paska izao. Miisa 2347 kosa ny Polisy hiasa ho an’ny faritra Analamanga manokana.
– Manatanteraka ny asa feno avokoa ireo Polisimpirenena mandritra ny fety ka amin’izao herinandro masina izao no efa manomboka izany.
-Hisy Polisimpirenena hitandro ny filaminana eny amin’ireo Eglizy hanatanteraka fotoam-pivavahana amin’ny alina, mandritra ny herinandro masina. Toy izany koa ireo toerana be olona sy be mpitsangatsangana mandritra ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska, izay samy hisy Polisimpirenena hahetsika avokoa.
-Tanjona ny hahafahan’ny malagasy rehetra hiatrika fety ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana hoy ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor androany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, niaraka tamin’ny Tale Jeneraly Lefitra, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule sy ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis.
-Hentitra ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena nilaza fa tsy handefitra amin’ireo izay manao fandikan-dalàna ny Polisy satria midika ho tsy fanajàna ny hafa ny fandikan-dalàna.
-Miantso amin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra ihany koa ny Polisimpirenena mba hahafahana mametraka ny fandriam-pahalemana.

 

FETIN’NY PASKA : TANJON’NY POLISIMPIRENENA NY HAHAFAHAN’NY MALAGASY HIATRIKA NY FETY ANATIN’NY FILAMINANA SY FITONIANA

Vous pourrez aussi aimer