👮‍♂️ Ho fampitomboana ny fahalalàna momba ny tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jery izay efa tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny dia nanatontosa fitsidihana ny haino aman-jery maromaro ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy Officier de Police andiany « MIAHI », ny 03 Jona 2026.
🏛️Isan’ny notsidihana ny tao amin’ny ORTM Anosy, ny Kolo TV, ny Les Nouvelles, ny l’Express de Madagascar, ny Taratra, ny Real TV, ny Dépêche informative Taratra, ary ny MBS radio sy televiziona.
✨ Nitarika ity fitsidihana ity ny lehiben’ny sampandraharaha ara-pedagojika eo anivon’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy, ny Commissaire de Police ANDRIANIRINA Fanomezantsoa.
📚 Natao izao mba ho fampahafantarana sy fampizarana misy kokoa ho an’ireo mpiofana, ny rafitra misy eo anivon’ny haino aman-jery sy orinasan-gazety sy serasera.
🔢Fanampin’izay dia tafiditra anatin’ny taranja hiofanana eny amin’ny ENSP ny fifandraisana sy serasera. Nisy araka izany ny fifanakalozana sy fifampizarana nataon’ireo tompon’andraikitra haino aman-jery tamin’ireo mpiofana.
🤝 Izao fiofanana sy fanovozana traikefa izao dia fanomanana ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Polisimpirenena ho matihanina sy mahafehy ny serasera amin’ny haino aman-jery
sy fanomezana sahady azy ireo lalana ho fiaraha-miasa amin’ireo mpanao gazety rehefa am-perinasa.

SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY : NANATANTERAKA FITSIDIHANA HAINO AMAN-JERY IREO MPIANATRA HO COMMISSAIRE DE POLICE SY OFFICIER DE POLICE AVY AMIN’NY ANDIANY “MIAHI”

Vous pourrez aussi aimer