👮‍♂️ Lehilahy iray 49 taona no voasambotry ny Polisy tao amin’ny banky iray teny Tsianolondroa Fianarantsoa, ny 25 Aogositra 2026, noho ny raharaha fisolokiana an’anabaka, fisandohana, fidirana tsy ara-dalĂ na amin’ny kaonty banky ary fanodikodinam-bola.
🔎 Ny banky no nametraka fitoriana tao amin’ny Service Central de Lutte contre la Cybercriminalité (SCLC) na ny sampandraharaha miady amin’ny heloka anabaka ao Anosy Antananarivo.
🏢 Taorian’ny fisamborana dia nentina eo anivon’ny Sampan-draharaham-paritry ny Polisy Ekonomika Matsiatra Ambony ilay voarohirohy hanaovana fanadihadiana momba ity raharaha ity.
⚠️ Mila mailo hatrany amin’ireo serasera sy ny fiarovana anabaka fa maro ireo mpisoloky sy olon-dratsy miafina ambadiky ny « écran ».
📢 Mampilazà ny mpitandro ny filaminana raha ilaina izany.
LEHILAHY 49 TAONA VOASAMBOTRA NOHO NY RAHARAHA FISOLOKIANA AN-TAMBAZOTRAN-TSERASERA
