👧 Zazavavy 14 taona iray, izay nanaovana ombay mitady tamin’ny alalan’ny peta-drindrina sy ny tambazotra Facebook, no tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany.
📅 Niala tao an-tranony ny Asabotsy 22 Aogositra 2026 ilay zaza, nilaza fa handeha any amin’ny fianakaviana iray eny Ambohimanarina.
â›” Rehefa nohamarinina tany an-toerana anefa dia fantatra fa tsy tonga tany ity zazavavy ity, izy rahateo tsy nisy nanatitra.
🚔 Vokatr’izany, dia nanao fitarainana teo anivon’ny Polisimpirenena misahana ny Centre Opérationnel Mixte (COM) teny Tsaralalàna ny fianakaviana, ary natao ny fikarohana mba hahitana azy.
🏠 Taorian’ny dimy andro tsy nahitana azy dia niverina tao an-trano soa aman-tsara izy ny 27 Aogositra 2026. Araka ny fanazavany, dia tany amin’ny olon-tiany izy nandritra izany fotoana izany.
📢 Nampandre ny Polisimpirenena araka ny dingana tokony hatao ny fianakaviana ny 28 Aogositra 2026, ary nanamafy fa tafaverina soa aman-tsara ao an-tokantrano ilay zaza.
👮‍♂️ Manoloana izany dia tsy maintsy misy ny famotorana hatao hahalalàna ny tena marina momba ity raharaha ity.
⚠️MANENTANA HATRANY NY REHETRA NY POLISIMPIRENENA MBA HANARA-MASO AKAIKY IREO ANKIZY, ADIDIN’NY RAIAMANDRENY NA NY MPIANTOKA NO MIJERY IZAY MIFAMPIRESAKA AMIN’IREO ANKIZY ANATY FINDAY SY NY TAMBAZOTRAN-TSERASERA RAHA EFA MAMPIASA IZANY IZY IREO.
‼️MILA FANTATRY NY RAIAMANDRENY NA NY MPIANTOKA NY TENY MIAFINA FANOKAFANA NY FINDAIN’NY ANKIZY TSY AMPY TAONA NA NY TAMBAZOTRAN-TSERASERA IZAY AMPIASAINY (COMPTE FACEBOOK, INSTAGRAM, TIKTOK, …) HAHAFAHANY MANARA-MASO IZAY REHETRA ATAONY, NA HO AN’NY ZAZALAHY NA HO AN’NY ZAZAVAVY. IZANY NO ATAO DIA MBA HAHAFAHANA MANDRAY FEPETRA AMIN’NY FANABEAZANA RAHA MISY FIRONANA MAMPIAHIAHY NY FISAINAN’NY ANKIZY, AHAFAHANA MANDRAY FEPETRA RAHA MISY FIFANDRAISANA MAMPIAHIAHY IHANY KOA ATAONY KA HISOROHANA NY LOZA METY HIANJADY AMINY.
âś… Aza misalasala mampilaza ny mpitandro ny filaminana raha ilaina izany.

ANTANANARIVO : ZAZAVAVY 14 TAONA NANAOVANA OMBAY MITADY TAFAVERINA AMIN’NY FIANAKAVIANY REHEFA AVY NANARAKA NY SIPANY

Vous pourrez aussi aimer