👮‍♂️ Taorian’ny fanafihana vehivavy miisa roa teny Ambilanibe ny 14 Septambra 2026 ka nandratran’ireo jiolahy azy ireo noho ny tsindron’antsy ary nahaverezana vola be ; teo ihany koa ny fanafihana teny Anosibe izay nahafatesana mpandraharaha tanora iray ny 14 Oktobra 2026 lasa teo sy nahaverezana vola ; dia efa nanao ny fikarohana tsy ankijanona ny Polisimpirenena misahana ny heloka bevava sakelika faha-efatra (BC4).
🚔 Tamin’izany no nahasamboran’ny Polisin’ny BC sy ny SAG olona miisa enina tetsy Andavamamba izay tafiditra tamin’ity andian-jiolahy ity izay misy vehivavy miisa 4 sy zaza tsy ampy taona iray ary lehilahy iray.
📌 Samy niaiky ny heloka vitany sy ny fandraisana anjaran’izy ireo tao anatin’ireny asa ratsy ireny avokoa izy enina ireo ka tao ny mpanome vaovao, tao ny mitsikilo manokana ireo olona izay ho tafihana ary misy ny mpampianatrano.
🚨 Samy efa nidoboka am-ponja avokoa izy rehetra rehefa niakatra fampanoavana ka ny iray eny Tsiafahy ary eny Antanimora kosa ny ambiny.
Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny Polisimpirenena ka ny 19 Oktobra 2026 no voasambotra tao Betroka tamin’ny alalan’ny fiaraha-misalahy teo amin’ny BC4, ny SAG ary ny Kaomisarian’i Betroka ilay tena tompon’antoka nanatanteraka ny fanafihana sady atidoha nikotrika ireo asa ratsy ireo. Tsy iza izany fa ilay antsoina hoe Mamenosoa.
âś… Niaiky ny heloka vitany moa i Mamenosoa ary tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ity farany no nanoroany ireo namany ihany koa, ka olona telo hafa no voasambotra indray tamin’izany dia ny mpanetin’ilay mpandraharaha maty satria io mpanety io no nanoro ny fivezivezeny sy ny vola entiny, ny mpitondra « taxi-moto » fampiasan’ireo jiolahy rehefa manafika ary ramatoa iray mpampiantrano ny jiolahy iray mbola karohina.
📣 Nidoboka am-ponja any Tsiafahy ireo telo lahy voasambotra farany ary nidoboka eny Antanimora kosa ilay vehivavy iray.
🎯 Tsara ny manamarika fa ity Mamenosoa ity no nahafantarana ilay jiolahy iray nitazona basy izay maty voatifitry ny namany teny Manarintsoa Andavamamba ny herinandro teo.
👮‍♂️ Ny famotorana an’i Mamenosoa ihany no nahafantarana ihany koa fa olona maromaro no mbola karohina amin’ity raharaha ity ka mitohy noho izany ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena.

TOHIN’NY RAHARAHA FANAFIHANA MITAM-PIADIANA NAHAFATESANA OLONA TAO AMIN’NY TSENAN’ANOSIBE – NIDOBOKA ENY TSIAFAHY NY TOMPON’ANTOKA SY IREO MPIRAY TSIKOMBAKOMBA AMINY, VEHIVAVY IRAY NIDOBOKA AO ANTANIMORA.

Vous pourrez aussi aimer