🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy sy ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
👮‍♂️ Mitohy ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny Faritra Analamanga.
📍 Tao Andrefan’Ambohijanahary, lehilahy iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina, rehefa tratra nifoka rongony sy nampianatra ny zafikeliny vao 07 taona hikirakira sy hifoka izany, ny 02 Novambra 2026. Nahità na fonosana rongony teny aminy nandritra ny fisamborana.
📍 Ny 03 Novambra 2026 kosa, lehilahy iray voarohirohy ho nangalatra batterie tao Talatanivolonondry no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Avancée Talataniovolonondry, taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo.
📍 Tetsy Itaosy, nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Itaosy teny Ampasika Avaratra, dia lehilahy miisa efatra no voasambotra teo am-pifohana rongony ary nahitĂ na fonosana rongony teny amin’izy ireo.
📍 Farany, ny 05 Novambra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora, nandritra ny hetsika hiadiana amin’ny asan-jiolahy nataon’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mahamasina tao amin’ny Tsena Soamanatombo, dia lehilahy iray ihany koa no tra-tehaka nangarom-paosy mpiantsena iray.
⚖️ Nentina eny amin’ny biraon’ny Kaomisaria ireo olona voasambotra ireo ary atolotra ny fampanoavana rehefa vita ny famotorana savaranonando.
🤝 Manamafy hatrany ny fahavononany hiaro ny vahoaka sy hitandro ny filaminana ny Polisimpirenena.
FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA ANALAMANGA : OLONA MIISA 07 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY RAHARAHA FANDIKAN-DALANA SAMIHAFA.
