NITSIDIKA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NY LEHIBEN’NY FIAROVANA ARA-DIPLOMATIKA AMERIKANA ETO MADAGASIKARA

???? Tonga nitsidika ara-pomba am-panajana ny Minisitry ny filaminam- bahoaka Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa ny lehiben’ny fiarovana ara-diplomatika Amerikana vaovao KIMPSTON Scott.
???Nilaza ity lehiben’ny fiarovana ara-diplomatika Amerikana ity fa matoky ny Polisim-pirenena tanteraka ary nankasitraka ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay no sady mbola vonona ny hampiroborobo izany ka izay no isan’ny antony izao fitsidihana nataony izao .
???Ankilany dia nanambara ny Minisitry ny filaminam-bahoaka fa mila tohizana sy hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny roa tonta ka hirariana ny hivelaran’zany indrindra eo amin ‘ny fampiofanana ireo Polisy Malagasy.
Tsy nisalasala moa ity lehiben’ny fiarovana ara- diplomatika Amerikana ity nanome toky fa vonona izy hanampy ny Polisy Malagasy raha ilaina izany.
NITSIDIKA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NY LEHIBEN’NY FIAROVANA ARA-DIPLOMATIKA AMERIKANA ETO MADAGASIKARA

Vous pourrez aussi aimer