FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA EO ANOSIZATO : NIJERY NY FOMBA AHAFAHANA MANAMAIVANA IZANY IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AVY AMIN’NY POLISIMPIRENENA NOTARIHIN’NY TALEM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA ANALAMANGA

– Famahana ny olan’ny fifamoivoizana. – Nametraka rindran-damina hiarahana ny Polisimpirenena sy ny Zandary miasa amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) mba hahafahana manamaivana ny fitohanana misy eo Anosizato. – Hampitomboina ireo Polisy miasa eny an-toerana ary ho hentitra kokoa manoloana ireo

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : NANAO FANENTANANA HO AN’NY MPAMPIASA LALANA REHETRA NY POLISIMPIRENENA NY ALIN’NY 31 DESAMBRA 2025 SY NY 1 JANOARY 2026.

– Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy famporisihana amin’ny fanarahan-dalàna. – Ny 01 Janoary 2026 dia nanao hetsika mahakasika ny fanarahan-dalàna sy ny fanentanana momba ny voka-dratsin’ny fahamamoana eo am-pamiliana ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Brigade des Accidents de la Circulation (BAC)

FAMARANANA NY TAONA 2025 SY FITSENANA NY TAONA VAOVAO 2026 : MIASA HATRANY NY POLISIMPIRENENA MIARO SY MANAMPY NY VAHOAKA MBA HIFETY AM-PILAMINANA, NIDINA IFOTONY NANKAHERY IREO POLISY TENY AN-KIANJA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.

– Nanatanteraka fidinana ifotony teto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny alin’ny 31 Desambra 2025, izay notarihan’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa. – Nanaovana fisafoana avokoa ireo faritra be

TOVOLAHY MIISA EFATRA NOSAMBORIN’NY POLISY MIASA AO ANTSIRANANA NOHO NY RESAKA FANAKORONTANANA FILAMINAM-BAHOAKA SY FANDRATRANA POLISY TEO AM-PERINASA.

– Asa fampanarahan-dalàna. – Ny 26 Desambra 2025 maraina no nisy andian-jatovo maromaro (foroche) nanao an-kolafy ho andaniny roa ary niady an-dalambe sy nifanao herisetra teo anoloan’ny ny toeram-pivarotana « Maximum Plus » Antsiranana. – Nirotsaka an-tsehatra nandamina izany ireo Polisy nanao

TRATRAN’NY POLISY AVY AO AMIN’NY KAOMISARIA ALASORA NY IRAY AMIN’IREO NAMONO ILAY MPITONDRA TAXI HITA FATY TENY AMBOHIMIADANA ALASORA NY ALIN’NY 24 DESAMBRA 2025

– Taorian’ny famoahana filazana fikarohana mpamily fiarakaretsaka iray teny Alasora izay tsy nahenoam-baovao nanomboka ny 5 Desambra 2025, dia nanao ny fikarohana rehetra ny teto anivon’ny Polisimpirenena. – Rehefa hita ity mpamily taxi ity ny alin’ny 24 Desambra 2025 saingy