– Ravan’ny Polisin’ny FIP miasa ao Toamasina ny 09 Aprily 2026 teo ny tambazotra iray mpangalatra moto tao Mangarivotra. Olona valo mianadahy no voasambotra tamin’izao raharaha izao.
– Lehilahy miisa telo no lehiben’ity fikambanan-jiolahy ity izay manatanteraka ny halatra mivantana, fantatra fa efa nigadra izy ireo. Misy ihany koa ireo mpiray tsikombakomba sy mpandray ny entana azo amin’ny halatra.
– Samy manana ny andraikiny avy ireto olon-dratsy ireto anatin’ity tambazotra mpangalatra moto ity manomboka amin’ny fangalarana, fanovana endrika ny moto, fitahirizana sy fanafenana ny moto halatra hatramin’ny fivarotana azy ireny.
– Nandritra ny fisavana natao dia nahitana moto dimy halatra tao amin’izy ireo. Natolotra ny Sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny fikarohana fandikan-dalàna ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminambahoaka Atsinanana ny tohin’ny fanadihadiana.
-Ny olo-marina sasatra ny mitady sy miasa tsara mba hanana zava-tsoa, misy kosa ireo olon-dratsy mitavana izany satria mitady ny tany malemy hanorenam-pangady.
– Manoloana izany ny Polisimpirenena dia miaro ny vahoaka sy ny fanananany ka tsy mamela mahazo ireo mpanao ratsy. Miantso antanan-droa ny fiaraha-mientan’ny rehetra kosa, indrindra amin’ny fitorohana ireo mpanao ratsy fa tanana ho tsiambaratelo hatrany izy ireny.

 

MANGARIVOTRA TOAMASINA : RAVAN’ NY POLISIMPIRENENA NY TAMBAZOTRANA MPANGALATRA MOTO, OLONA VALO VOASAMBOTRA.

Vous pourrez aussi aimer