– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ny 27 Aprily 2026 tamin’ny 09 ora maraina, nanao fisafoana mahazatra teny amin’ny tsenan’Anosibe ireo Polisimpirenena miandraikitra ny fiambenana ny Ministeran’ny Filaminambahoaka (Compagnie SECMIN).
– Voasambotra nandritra izany ny mpangarom-paosy miisa 4, tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny. Rongony, antsy, « lame », ary mpaingotra no sarona teny amin’izy ireo.
– Natolotra ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna ireo voasambotra ary misokatra ny fanadihadiana.
– Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa mitohy ny hetsika hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary manentana ny rehetra mba hampandre avy hatrany raha mahita tranga mampiahiahy.
TSENAN’ANOSIBE : LEHILAHY MIISA 04 MPAMERIN-KELOKA AMIN’NY HAROM-PAOSY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.
