đ Ady aminâny fiparitahanâny zava-mahadomelina
đ
Ny 27 Mey 2026 atoandro, nandritra ny asa fisafoana mahazatra teny aminâny Fasanâny Karana, nahatsikaritra lehilahy iray nitondra kitapo sady nampiahiahy ny Polisy miasa ao amin’ny komisaria Mahamasina.
âNasaina mba hijanona entina hanatona birao ny tenany mba hanaovana fisavana saingy nandositra tampoka ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana.
đź Tratra ihany ilay lehilahy ary nandritra ny fisavana ny kitapo teny aminy no nahitana rongony milanja 6,8 kilao tao anatiny.
âïž Nentina natao andrimaso ilay voasambotra ary misokatra ny fanadihadiana. Manohy ny ady aminâny fiparitahanâny rongony sy ny zava-mahadomelina hatrany ny Polisimpirenena mba hiarovana ny tanora tsy ho roboka aminâizany
FASAN’NY KARANA : LEHILAHY IRAY TRATRA NITONDRA RONGONY MILANJA 6,8 KG
