📅 Nandritra ny asa fisafoana amin’ny alina fanaon’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Maroantsetra ny alin’ny Alarobia 27 Mey hifoha Alakamisy 28 Mey 2026 lasa teo, dia nisy olona roa nampiahiahy nifanena tamin’izy ireo teny amin’ny faritry ny Fokontany Ankiakandrefana.
â›” Niaraka tamin’ny entana sy fonosana maromaro ireto olona ireto ka raha vao nahatazana ny Polisy dia nikasa handositra saingy noho ny fandraisana andraikitra haingana nataon’ireo Polisy dia voasakana sy nosamborina avy hatrany izy ireo.
👮 Rehefa nosavaina ireo fonosana nentiny dia nahitana vola maromaro, lambahoany, ranomanitra, satroka, kapa ary kojakoja madinika isan-karazany. Nandritra ny famotorana teo no nahafantarana fa entana vao avy nangalarina sy norobaina tany amin’ny fasana tao Marosoroka ireto tratra ireto.
⛓️ Nentina tany amin’ny Kaomisaria ary nanokafana fanadihadiana ireto roalahy ireto ary nidoboka am-ponja rehefa natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maroantsetra ny Alatsinainy 01 Jona 2026.
MAROANTSETRA : MPAMAKY FASANA ROALAHY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
