🛑Ady amin’ny halatra isan-karazany
‍🎯 Lehilahy iray mpamaky trano gaigilahy sady efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisarian’i Mandritsara ny 4 Jona 2026.
âś… Taorian’ny angom-baovao sy ny fanadihadiana natao no nahitĂ na ity jiolahy ity. Fantatra fa efa voatonona tamina raharaha vaky trano nitranga tany amin’ny distrikan’i Mandritsara sy ny manodidina ity olon-dratsy ity. Nandritra ny fisavana natao tao an-tranony no nahitana entana marobe azo tamin’ny halatra avokoa.
👉 Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Polisy dia niaiky ny asa ratsy nataony izy. Tratra niaraka taminy ihany koa ireo fitaovana nampiasainy tamin’ny famakiana trano.
📌Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena mba hamantarana ireo tranga rehetra mety misy ifandraisany amin’ity raharaha ity, ankasitrahana hatrany ny fanomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena tsara sitrapo ary raisina an-tanandroa izany sy tanana ho tsiambaratelo

MANDRITSARA : LEHILAHY IRAY MPAMAKY TRANO GAIGILAHY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer