🎯 Tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany avokoa ireo olona telo voalaza fa tsy hita teto Antananarivo sy ny manodidina, taorian’ny fikarohana sy fanadihadiana nataon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny centre opérationnel anti-enlèvement Tsaralalà na.
📌 Anisan’izany ny tovovavy 17 taona izay niverina ny 03 Aogositra rehefa nanaraka ny sipany ka tsy niera tamin’ireo raiamandreniny.
📌 Lehilahy iray avy ao Ankorondrano Andrefana izay nandeha nitady vola tany Ambatofotsy Antsirabe ka nody soa aman-tsara teto Antananarivo rehefa nanaovana ombay mitady nanomboka ny 4 Aogositra lasa teo.
👮‍♂️ Hita ihany koa ilay vehivavy nanaovana “ombay mitady”, teny Analakely ny 03 Septambra 2026, ary natolotra ny CNMED mba hanohizana ny fandraisana an-tanana azy.
✅ Mankasitraka ireo rehetra tamin’ny fiaraha-mientana ny Polisimpirenena ary manentana hatrany ny ray aman-dreny mba hanara-maso akaiky ny ankizy, indrindra amin’ny fampiasana finday sy tambazotra sosialy.
ANTANANARIVO : OLONA TELO NANAOVANA OMBAY MITADY SAMY TAFAVERINA EO ANIVON’NY FIANAKAVIANY
