📍Ady amin’ny asan-jiolahy.
🚔 Taorian’ny nahazoan’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha-7, 67 Ha, loharanom-baovao momba ny fisian’ireo entana halatra tao amin’ny tokantrano iray teny Ankasina ny 27 aogositra 2026, dia nidina teny an-toerana ny Polisimpirenena. Nahitana entana halatra maro tokoa tao amin’ilay trano rehefa natao ny fisavana izay efa voaporofo fa avy amina vaky trano.
👮‍♂️ Olona miisa 04 ahitana vehivavy iray, no voasambotra tamin’ity raharaha ity. Fantatra fa ny iray amin’izy ireo dia efa mpamerin-keloka. Samy niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo.
⚖️ Natolotra ny Fampanoavana ny 02 septambra 2026 izy ireo ary voatazona am-ponja eny Antanimora ny telo (03), raha toa ka eny amin’ny Akany fanarenana Anosiala no nalefa ilay iray tsy ampy taona.
✅ Ny Polisimpirenena dia mijoro hatrany, mampiasa ny fahaiza-manaony, amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra; ahitàm-bokany mivaingana izany rehefa mandray ny andraikiny ihany koa ny olom-pirenena amin’ny fanomezam-baovao momba ireo mpanao ratsy mialokaloka anaty fiarahamonina.

ANKASINA – 67 HA : MPAMAKY TRANO MIISA 4 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer