🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy sy zava-mahadomelina.
👮‍♂️ Mitohy ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fiarovana ny vahoaka eto amin’ny Faritra Analamanga.
📍 Tao Tanjombato, ny 06 Novambra 2026 maraina, mpanendaka roalahy no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato nandritra ny fisafoana teny amin’ny faritra Tanjombato sy ny arrêt bus Fasika. Nahitana antsy sy fitaovana fampiasa hinanana zava-madomelina teny amin’izy ireo.
📍 Tetsy Anosibe, ny 05 Novambra 2026, lehilahy iray 23 taona no voasambotry ny Polisimpirenena noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana tokan-trano iray teny Anosibe. Vola 150 000 Ariary sy finday telo no nagalariny ary mbola hita teny amin’izy ireo avokoa. Taorian’ny fanamarinana dia naverina any amin’ny tompony avokoa ireo entana nangalarin’izy ireo.
📍 Tao Ankazomanga Atsimo, ny 05 Novambra 2026, tovolahy miisa efatra sy tovovavy iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny PPA 4 Antaniavo, noho ny fanendahana. Vola 200 000 Ariary sy antontan-taratasy maro no lasan’izy ireo tamin’izany. 14 taona no zandriny indrindra amin’ireto voasambotra ireto ary 17 taona ny zokiny indrindra. Efa natolotra eny amin’ny sampraharaha misahana ny zaza tsy ampy taona avokoa izy ireo.
⚖️ Ireo olona miisa efatra ambiny kosa noentina teny amin’ny Kaomisaria hatao famotorana ary atolotra ny fampanoavana aorian’izay.
đź”´ NAMEHANA : LEHILAHY IRAY TRATRA NANGALATRA FINDAY
👮‍♂️ Lehilahy iray 31 taona no tratran’ny Polisy nanao fanamiana sivily ny 07 Novambra 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora sy 50 maraina, teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Namehana, raha nangalatra finday OPPO.
🎯 Nentina tao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano izy ary notazonina sy hanaovana fanadihadiana.
🤝 Manamafy hatrany ny fahavononany hiaro ny vahoaka sy hitandro ny filaminana ny Polisimpirenena.

ANALAMANGA : OLONA MIISA 09 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY RAHARAHA SAMIHAFA.

Vous pourrez aussi aimer