✅ Polisimpirenena lavitry ny kolikoly
📝Ho tohin’ny fampiharana izay tapaka nandritra ny fikaonandoham-pirenena notanterahin’ny Polisimpirenena, ka izay mahakasika ny ady amin’ny kolikoly dia notanterahina ny 09 Novambra 2026 tamin’ny dtao amin’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy (ENSP) tetsy Mamory Ivato ny atrikasa ho fanentanana anatiny mba hiadiana amin’ny kolikoly.
🎤 Nitarika ity atrikasa sy fanentanana ity ny Talen’ny Fanadihadiana Anatiny (DEI) eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMALALA Simon sy ny Tale misahana ny sampana miady amin »ny kolikoly, ny Commissaire Principal de Police RABEARIVONY Maurice Joël.
⭐ Nanindry mafy izy ireo nandritra izany ny mba hampisehoana fa mandeha mahitsy ary manara-dalàna ny Polisimpirenena, indrindra ihany koa ny fijoroana amin’ny maha-matihanina mandritra ny asa rehetra izay hiantsorohana.
📍 Izany no antoka voalohany mba hahamafy ny fahatokisan’ny vahoaka ny Polisimpirenena hoy hatrany ireto tompon’andraikitra ireto.
🔷 Ny Polisy miasa ao amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny heloka bevava sy ny sampan-draharaha miady amin’ny heloka anabaka no nisiitraka voalohany izao atrikasa izao ary hihitatra amin’ireo sampandraharaha hafa izany.

