– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Naharitra ela ny asa ratsin’ireto tambajotran’olona mpisoloky ireto. Maro ny olona efa nitaraina ary tena fetsy sy malama izy ireo satria efa ela ihany koa no nikarohan’ny Polisy azy ireo ary izao tratra izao no niafarany.
– Fisolokiana avo lenta amin’ny sehatry ny varotra no nahafantarana azy ireo: fividianana sy fivarotana vokatra toy ny vary, katsaka ary voamaina. Tambajotra serasera no fitaovana ampiasainy voalohany hitadiavana ireo olona ho lasibatra. Tsara omana ny paika entiny miady, manofa trano sy fiara mba hanamafisana ny fitaka.
– Manao fifanarahana ara-barotra mihitsy, fanomezana vola mialoha kely mba hisian’ny fitokisana kanefa rehefa voarainy ny entana, dia tsy hita popoka intsony izy ireto. An-tapitrisa maro no efa azony.
– Tsy vitan’izay fa mbola nampiasa taratasy hosoka sy kara-panondro sandoka izy ireo mba tena hahavoafitaka an’ireo lasibatra.
– Taorian’ny vela-pandrika nataon’ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy dia tratra tao amin’ny tokan-trano iray teny Manjakaray izy ireo ny talata 31 Martsa 2026.
Lehilahy 04 sy vehivavy 03 no voasambotra, ary fantatra fa misy amin’izy ireo no efa mpameri-keloka.
– Nentina avy hatrany natao fanadihadiana izy ireo, ary natolotra ny Fampanoavana ny 07 aprily 2026 ka nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
-INy Polisimpirenena dia manentana mba hitandrina sy ho malina hatrany ny fifanarahana atao, indrindra raha amin’ny alalan’ny tambajotra serasera. Aza mora matoky raha tsy mazava sy voamarina ny antontan-taratasy sy ny olona ifampiraharahàna.

 

MANJAKARAY : TAMBAJOTRANA MPISOLOKY NAHITANA, OLONA 07 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer