– Notanterahina teny amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin ny 09 Martsa 2026 ny fanolorana mari-pankasitrahana sy famantarana miavaka na ny « brevet » ho an’ireo Polisimpirenena nahavita fiofanana ho Unité Spécialisée de la Police Nationale (USPN) andiany 2026.
– Nanomboka ny 06 Martsa 2026 ary nifarana ny 09 Aprily 2026 ny fiofanana.
-Ankoatra ny sedra ara batana sy ara tsaina izay tsy maintsy nandalovana dia niompana tamin’ny teknika manokana amin’ny vonjy taitra sy firotsahana an-tsehatra na ireo Geste et Technique Policière d’intervention (GTPI) ny fiofanana.
– Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, izay nanamafy fa izao fampiofanana Polisimpirenena hanatevina ireo vondrona manokana izao no natao dia manaporofo hatrany fa laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fanamafisana ny maha-matihanina ny Polisy.
– Tamin’ireo Polisimpirenena miisa 245 nandray ny fidirana tamin’ity fiofanana ity dia miisa 95 mianadahy no nahavita hatramin’ny farany sy nahefeno ny fepetra ho Isan’ireo vondrona manokana.
-Ho fankaherezana hatrany azy ireo dia nahazo marim-pankasitrahana avy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy (DRFC) ireo mpampiofana.
-Ireo USPN dia ahitàna ny USI na ny saka mainty, ny SAG ary ny UIR ; misahana manokana ireo asa saropady eo anivon’ny Polisimpirenena ireo vondrona manokana ireo.

DRFC – FANOLORANA MARI-PANKASITRAHANA SY FAMANTARANA MAMPIAVAKA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NAHAVITA FIOFANANA HO VONDRONA MANOKANA NA UNITÉ SPÉCIALISÉE DE LA POLICE NATIONALE (USPN), ANDIANY 2026.

Vous pourrez aussi aimer