– Ireo mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany ihany no hiatrika ny fihodinana faharoa.
– Datin’ny fanadinana : Alakamisy 28 sy Zoma 29 Mey 2026
– Toerana :
– Ho an’ny mpiadina niatrika izany tamin’ny foibem-panadinana ivelan’Antananarivo dia manatona ny « Direction Régionale de la Sécurité Publique » (DRSP) amin’ny renivohim-paritany (TOAMASINA, ANTSIRANANA, MAHAJANGA, FIANARANTSOA, TOLIARA) misy ny Foibem-panadinana niatrehana izany tamin’ny fihodinana voalohany.
– Ho an’ny mpiadina tao amin’ny foibem-panadinana ANTANANARIVO kosa dia manatona ny « Service Central du Recrutement » (DRH/SCR) Anosy ;
– Visite médicale (CM2) :
– Ny “Fiche Médicale” (CM2) dia azo atao avy hatrany ary azo raisina atao “Photocopie” ao amin’ny Foibem-panadinana amin’ny renivohim-paritany teo aloha na alaina amin’ny “site web de la Police Nationale Malagasy” : https://www.pn.gov.mg. na koa ao amin’ny « Facebook » pejy « POLISIM-PIRENENA MALAGASY » ary entina amin’ny “Centre Hospitalier de Référence” na “Centre Hospitalier Universitaire” irery ihany ;
– Ny “Fiche Médicale” (CM2) dia entina amin’ny hopitalim-panjakana Centre Hospitalier de Référence (CHR) na Centre Hospitalier Universitaire (CHU) ary fenoin’ny dokoteram-panjakana. Rehefa voahidy tsara anaty valopy dia entin’ny mpiadina ary angonina mandritra ny andro hanaovana ny fanadinana fihodinana faharoa. Arak’izany, tsy mahazo manao adina am-bava ny mpiadina tsy mitondra ny CM2.
– Contre-toise :
– Manatanteraka ny “Contre-Toise” ny mpiadina rehetra ny ALAROBIA 27 MAY 2026.
– Marihina fa hisy fandaharam-potoana isaky ny « Groupe de candidat » mandritra ireo daty ireo hanatontosana ny adina tsirairay ;
Mandritra ny fotoam-panadinana fihodinana faharoa dia tsy maintsy mitondra ny « Convocation » izay nampiasaina tamin’ny fanadinana fihodinana voalohany sy ny « Carte d’Identité Nationale ».
-Lisitry ny mpiadina efa voazara anaty “Groupe de candidat” miaraka amin’ny fandaharam-potoana hanatanterahana ny fanadinana fihodinana faharoa dia azo jerena manomboka ny ZOMA 22 MAY 2026 ao amin’ny « Service Central du Recrutement » (SCR) Anosy Antananarivo sy any amin’ny DRSP amin’ny renivohi-paritany misy ny foibem-panadinana iadinan’ny mpiadina.
– Ny lisitra sy ny fandaharam-potoana dia ho hita manomboka ny Zoma 22 Mey 2026 eny amin’ny SCR Anosy sy DRSP rehetra.
-Raha mila fanazavana fanampiny dia manatona ny « Service Central du Recrutement” Anosy Antananarivo na ny « Direction Régionale de la Sécurité Publique (DRSP) » isam-paritra.


