đš Ady aminâny asan-jiolahy
đ
Taorianâny fitoriana napetraky ny olona iray ny 23 Mey 2026 mahakasika halatra sy fidirana an-trano tsy nahazoana alalana teny Sabotsy Namehana dia nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy nahavita izany ny Polisy avy ao aminâny Kaomisaria Foibe Avaradrano Sabotsy Namehana.
â
Rehefa tratra ny iray taminâireo jiolahy dia nanondro ny namany izay niara-nanao ilay asa ratsy ka voasambotra teny Ambohinaorina ity farany. Mbola hita tao an-tranony ny vilany lehibe iray izay nangalarina tao aminâilay tokan-trano.
âïž Nanokafana fanadihadiana izy roalahy ary natolotra ny fampanoavana ny 29 Mey 2026 teo ka samy nidoboka am-ponja ao Antanimora avokoa.
đš Misy hatrany ny vokatra azo rehefa tsy misalasala manome vaovao momba ireo olon-dratsy karohina ny olom-pirenena tsara sitra-po. Ny Polisimpirenena etsy an-kilany dia tsy mikely soroka mampiasa ny fahaiza-manaony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
SABOTSY NAMEHANA : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA SY FIDIRANA AN-TRANON’OLONA AN-KERINY.
