👉Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
đź”´Ny faha 30 Aogositra 2026 lasa teo tokony ho tamin’ny 08ora alina no naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Polisimpirenena mahakasika ny fisiana lehilahy iray mitazona sy mivarotra rongony eny Anendaka Antananambony Fianarantsoa.
📌Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy ka mbola tratra teny amin’ity lehilahy ity ny fonosana rongony miisa efatra, izay mbola ho amidiny.
🎯Araka ny fantatra dia isan’ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina eny amin’iny faritra Anendaka sy ny manodidina iny ity Lehilahy ity.
đź”— Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy any an-toerana izy nanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita izany.
✅Mankasitraka hatrany ireo olom-pirenena tsara sitrapo amin’ny fanomezana vaovao ny mpitandro ny filaminana, mamporisika hatrany ny rehetra tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy.
FIANARANTSOA : LEHILAHY 32 TAONA MPIVAROTRA RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
