– Fiarovana ny vahoaka sy ny fananany
– Lehilahy efatra no voasambotry ny Polisimpirenena teto Antananarivo, ny 09 sy 10 Novambra 2026, nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona.
– Ny 09 Novambra, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina, dia lehilahy iray 32 taona no tratran’ny Polisy avy ao amin’ny CSP5 Mahamasina, ambodiomby nikasa hamaky trano fivarotana iray teny Namontana.
-Ireo andrimasom-pokonolona no efa nahatsikaritra azy ka niantso ny Polisimpirenena haingana.
– Ny 10 Novambra kosa, nandritra ny fisafoana alina tao Ambolokandrina, dia lehilahy telo no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Boriborintany Faharoa Ambohijatovo, rehefa tsikaritra fa nanao fihetsika mampiahiahy sy miafina tahaka ny miandry mpanadalo tratra hariva teo amin’ny tetezana. Fantatra fa nisy lasibatra ny fanendahana vao haingana teo amin’io toerana io.
– Nahitàna antsy maranitra teny amin’izy ireo nandritra ny fisavàna.
– Nentina tao amin’ny Kaomisaria Mahamasina sy Kaomisaria Abohijatovo ireo olona efatra voasambotra mba hanaovana fanadihadiana.
– Manentana ny rehetra hatrany tsy hisalasala hampandre ny Polisimpirenena raha misy mampiahiahy na trangana tsy fandriam-pahalemana.

 

ANTANANARIVO : LEHILAHY EFATRA VOASAMBOTRA NOHO NY VAKY TRANO SY FANENDAHANA TAO AMBOLOKANDRINA SY NAMONTANA.

Vous pourrez aussi aimer