– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
– Manamafy hatrany ny ezaka ataony amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ny Polisimpirenena, amin’ny alalan’ny hetsika « MAHOMBY » tanterahin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa, eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Matsiatra Ambony.
– Vokatr’izany, olona miisa 10 no voasambotra noho ny raharaha halatra, vaky trano ary fandrahonana, ka fikambanan-jiolahy miisa 02 no rava.
-Anisan’izany ny lehilahy 31 taona voasambotra ny 04 novambra 2026 tao Ampasambazaha, noho ny halatra fanafody nitranga ny 31 oktobra ;
– Lehilahy 02 voasambotra ny 01 novambra tao Ambalapaiso noho ny vaky trano ;
– Lehilahy 24 taona voasambotra tao Ampasambazaha ny 05 novambra noho ny fandrahonana;
– Lehilahy 24 taona voasambotra tao Andrainjato noho ny vaky trano nitranga ny 31 oktobra;
– Ary lehilahy iray voasambotra tao amin’ny tsenan’Anjoma Fianarantsoa ny 07 novambra noho ny halatra.
-Tao Ankofafa kosa, lehilahy 26 taona no voasambotra ny 01 novambra 2026 tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro, ary namany 04, 22 ka hatramin’ny 27 taona ny salan-taonan’izy ireo, no tratra taorian’ny fanadihadiana. Nahatrarana solosaina miisa 04, fanamafisam-peo, tablette miisa 02 ary finday iray halatra izy ireo.
– Taorian’ny fanadihadiana sy ny famotorana dia natolotra ny Fampanoavana ny 06 novambra 2026 ireo tompon’antoka tamin’ny raharaha halatra tao Ampasambazaha sy vaky trano tao Ambalapaiso, ka naiditra am-ponja.
– Ny 09 novambra 2026 kosa no natolotra ny Fampanoavana ireo voakasika tamin’ireo raharaha fandrahonana sy halatra hafa, ka naiditra am-ponja avokoa.
– Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany ary ny famongorana ireo tambajotran-jiolahy.

 

FIANARANTSOA : OLONA 10 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO ANATIN’NY HETSIKA « MAHOMBY », KA FIKAMBANA JIOLAHY MIISA 02 NO SARONA

Vous pourrez aussi aimer