– Fiarovana ny olona sy ny fananany
– Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy tao amin’ny sakana Ambohibary, eo amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1), ny 18 Novambra 2026, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, noho ny halatra bisikileta iray tao amin’ny tsenan’Analavory.
– Taorian’ny fisamborana dia nametraka fitoriana ny tompon’ilay bisikileta, ary niaiky nandritra ny famotorana ireo voarohirohy fa nangalatra izany tokoa.
Fantatra ihany koa fa efa samy nigadra tao amin’ny fonjan’i Miarinarivo izy roa lahy noho ny raharaha halatra bisikileta.
– Ny 24 Novambra 2026 dia natolotra ny fampanoavana teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Miarinarivo izy ireo, ary naiditra am-ponja vonjimaika.
ITASY : LEHILAHY ROA TRATRA NANGALATRA BISIKILETA TAO ANALAVORY, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
