– Tsy mitsahatra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny Alahady 05 sy Alatsinainy 06 Aprily 2026, vokatry ny fisafoana sy ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny fokonolona, dia jiolahy roa efa malaza amin’ny halatra sy vaky trano no voasambotry ny Polisimpirenena.
– Teny Ankadivato ny Alahady alina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany, raiki-tahotra ny tompon-trano iray raha nahatsikaritra lehilahy nananika vavahady sy niditra an-tsokosoko tao an-tokotaniny. Nampandre avy hatrany ny Polisy izy noho izany. Vokany, niditra an-tsehatra haingana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny CSP3 ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay jiolahy.
– Tetsy Isotry indray, ny marainan’ny Alatsinainy tokony ho tamin’ny 03 ora, lehilahy iray mampiahiahy no tsikaritry ny Polisin’ny UIR teo akaikin’ny tsenan’ny “Akoho sy Baoritra”. Vao nahita Polisy izy dia nandositra saingy tsy afa-bela ka voasambotra ihany. Fantatra fa efa mampitaraina ny mponina amin’ny fanendahana eny an-toerana ity jiolahy ity.
– Ny Polisimpirenena dia tsy mikely soroka mametraka ny fandriam-pahalemana ho an’ny mpiray Tanindrazana. Manampy be ho an’ny fametrahana ny filaminana ny fiaraha-mientana. Zava-dehibe ihany koa ny fahamailoan’ny tsirairay sy ny fampandrenesana ara-potoana ny mpitandro ny filaminana rehefa misy mampiahiahy.
