– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Nihevitra ity jiolahy ity fa mbola reraky ny fetin’ny Alatsinain’ny Paska ny olona tao an-tanàna ka mora aminy no handeha handroba.
– Ny maraim-ben’ny 7 Aprily 2026 tokoa dia nihanika tambohona tokan-trano iray tao TANAMBAO II Toamasina izy kanjo tsikaritry ny tompon-trano ka niantso vonjy ireto farany.
– Tonga teny an-toerana haingana ny Polisy ao amin’ny Unité d’intervention Rapide (UIR) nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ka niditra an-tsehatra avy hatrany.
– Nandritra ny fisamborana azy anefa dia naneho herisetra mafy ity lehilahy ity ary naka an-keriny ny basy teny amin’ny Polisy iray. Voatery niaro ny namany ny Polisy teo ary nitifitra ka maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ity jiolahy ity.
– Araka ny fantatra dia efa matetika no manao fandrahonana sy manimba fananan’olon-tsotra eo an-tanàna ity lehilahy ity. Tapitra hatreo izany ny horohoro sy fijaliana ara-tsaina apianjadiany ireo mponina ao Tanambao Verrerie Toamasina.

 

MATY VOATIFITRY NY POLISIMPIRENENA ILAY JIOLAHY NAMPIHOROHORO TAO TANAMBAO II, TOAMASINA.

Vous pourrez aussi aimer