– Tontosa teny amin’ny Lapan’ny Teny Tonga Nofo Ambatobe ny 10 Aprily 2026 ny Fikaonandoham-paritry ny Polisimpirenena eto amin’ny Faritra Analamanga. Ny lohahevitra nentina nandritra izany : “Ahoana ny endriky ny Polisimpirenena amin’ny taona 2036?”
– Ity fikaonandoha ity dia natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana, ary hanomezana torolalana hentitra amin’ny fihavaozana sy fanavaozana ny fomba fiasa ho an’ny Polisimpirenena. Tanjona araka izany ny fanatsaràna hatrany ny fomba fiasa mba hamaly tokoa ny hetahetan’ny vahoaka sy hahafahana miatrika ny ambana tsy fandriam-pahalemana ary hirosoana amin’ny matihanina hatrany.
– Notsindriana ihany koa fa andraikitra iombonana ny filaminam-bahoaka. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisimpirenena sy ny vahoaka no fototra iorenan’ny fahombiazan’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra. Navoitra ny maha-zava-dehibe ny fitokisana sy ny fifanakalozana vaovao.
– Nitarika ny fotoana ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis, Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Analamanga. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Ramatoa RAHARINIRINA Clémence, niaraka tamin’ireo olomboafidy maro eto amin’ny faritra Analamanga ary manamboninahitra sivily sy miaramila izay tonga maro.
– Samy efa nahatontosa ny fikaonan-doham-paritra avokoa ireo Fitaleavam-paritra rehetra manerana ny Nosy ka aorian’izao dia hirosoana ny fandravonana ny venti-kevitra rehetra ary hisy ny tatitra momba izany.

FIKAONANDOHAM-PARITRY NY POLISIMPIRENENA ANALAMANGA : MARO IREO MPANDRAY ANJARA AVY AMIN’NY SEHATRA TSY MIANKINA NANDRAY ANJARA, MBA HO FANATSARANA HATRANY NY ASAN’NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer