‼️Olona roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CRFIP Atsimo Atsinanana, tratra nitazona sy nampiasa vola sandoka.
👮♂️Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisin’ny FIP tany Amboanio ny alin’ny 24 Aprily 2026 no nahatratrarana ireto roalahy tsy te hisasatra ireto. Nisy olona tsara sitrapo nampandre fa misy olona roa mampiasa vola sandoka. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo Polisy ireo ka nisambotra azy roalahy.
💰Nandritra ny fisavàna dia nahitàna vola sandoka miisa 213 amin’ny 20 000 Ariary izay mitentina 4 260 000 Ariary amin’ny fitambarany tany amin’ireto jiolahy ireto.
🛑Fantatra fa samy nivahiny tao Farafangana izy roa ireto izay nikasa hanaparitaka ireo vola sandoka ireo.
⚖️Natolotra ny sampana SRPJ ny raharaha ho amin’ny tohin’ny fanadihadiana, nogiazana mba atao porofo ireo vola sandoka. Ho atolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny famotorana savaranonando.
✅ Ny Polisimpirenena dia mampitandrina an’ireo olon-dratsy tsy te hisasatra tahaka azy roalahy ireto fa tsy maintsy hampiharana ny lalàna mba ho fiarovana ny vahoaka mitady am-pahamarinana. Anentanana ny rehetra hatrany ny fitorohana rehefa misy tranga mampiahiahy.
FARAFANGANA : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISY NOHO NY FAMPIASANA VOLA SANDOKA
