– Polisimpirenena manakaiky vahoaka
– Ny tolakandron’ny 26 Aprily 2026, notanterahina tao amin’ny tokotanin’ny EPP Tanambao SPM Maintirano ny hetsika fanentanana nokarakarain’ny Polisimpirenena miasa any an-toerana.
– Lohahevitra lehibe nodinihina nandritra ny fanentanana ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy (VBG) ary ny ady amin’ny kolikoly, mba hanamafisana ny fahalalan’ny vahoaka sy hanentanana ny rehetra handray andraikitra.
– Vory maro be ireo olona tonga nanatrika izany, nahitana mponina maro avy amin’ny fokontany sy ny manodidina ka talohan’ny famaranana dia nomena fotoana hifanakalozan-kevitra sy hametrahana fanontaniana ireo mpandray anjara nahafahana namaly ireo hetaheta sy ahiahin’ny mponina.
-Ny fanentanana tahaka izao dia fisorohana mialoha ny mba tsy hisian’ireo fandikan-dalàna notanisaina ireo. Tanjona lehibe ny hampirindra hatrany ny fiainam-piarahamonina sy hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra.
