✅ Ady amin’ny asan-jiolahy
🚔 Naharay fitarainana mahakasika fandrobana miharo herisetra ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Manandriana ny 28 Mey 2026.
👮 Ny 30 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 09 ora sy 30 minitra maraina, dia nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po ireo Polisy manao sakana eo Soamandroso, mahakasika olona ahiana ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fandrobana tao amin’ny Kaominina Anjoma Nandihizana, Distrikan’i Manandriana. Nikasa handray fiara teo amin’ny fiantsonana taxi-brousse tao Limite ireto olona ireto ka noho izany dia tsy niandry ela ny Polisy fa nidina avy hatrany teny an-toerana nanatanteraka ny fisamborana ireo olona miisa telo.
🎯 Fantatra nandritra ny famotorana fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay asa ratsy ilay iray voasambotra, ary nilaza ihany koa izy fa olona telo no nandray anjara tamin’ilay fanafihana. Ny roa kosa dia heverina ho mpiray tsikombakomba ary mbola misy ny karohina.
🎯 Nahatratrarana vola 2.020.000 Ariary teny amin’ireo voasambotra, raha tombanana ho manodidina ny 10.000.000 Ariary kosa ny vola sy entana very nandritra ny fandrobana.
👮 Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena ary mbola tohizana ihany koa ny fikarohana rehetra mifandraika amin’ity raharaha ity.
🟢 Ahitàna vokatra tsara ho an’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ny fifampitokisana misy eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana tahaka izao.

FARITRA AMORON’I MANIA – MANANDRIANA : OLONA TELO VOASAMBOTRA TAMIN’NY RAHARAHA FANDROBANA MIHARO HERISETRA

Vous pourrez aussi aimer