– Ny harivan’ny zoma 10 Jolay 2026 no nanao hetsika manokana fisavana sy fanaraha-maso ireo « Bar, Karaoké ary Boîte de nuit » tao Maroantsetra ny Polisimpirenena.
– Izany no natao mba ho fiarovana ny zaza tsy ampy taona taorian’ny fanadinana BEPC.
– Vokatr’izany, Zaza tsy ampy taona miisa 10 no tratra tao anatin’ireo toerana ireo, ka 14 taona ny zandriny indrindra ary Bar miisa telo (03) no nohidiana noho ny fahatarana amin’ny ora fikatonana.
– Taorian’izay, nentina teny amin’ny biraon’ny Kaomisaria ireto ankizy ireto ho fiarovana azy ireo ary nampandrenesina ny Ray aman-dReniny mba hanatitra ny taratasy manamarina ny maha-izy azy ary ireo ary nentanina amin’ny fanaraha-maso ny ankizy.
– Ireo tompona toeram-pisotroana dia nampitadremana mafy amin’ny tsy tokony handraisana zaza tsy ampy taona.

 

MAROANTSETRA : FISAVANA SY FANARAHA-MASO IREO TOERANA FIALAM-BOLY TAORIAN’NY FANADINANA BEPC : ZAZA TSY AMPY TAONA MIISA 10 TRATRA TANY ANATY BAR

Vous pourrez aussi aimer