👉 Ady amin’ny fiparitahin’ny zava-mahadomelina
🚔 Lehilahy roa (02) nitondra rongony 16 gony no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny UIR sy Sampan-draharaha miady amin’ny zava-mahadomelina Antsirabe, nandritra ny hetsika « MAHOMBY » ny zoma 29 Aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina.
🚙 Tao anaty fiara 4×4 no nitondrana ireo rongony, izay voalaza fa avy any Betroka ary nokasaina hoentina hamidy eto Antananarivo.
🔎 Araka ny fanadihadiana nataon’ny sampana miady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelinadia olona monina eto Antananarivo ireto voasambotra ireto ary nofaina ilay fiara hitaterana ireo rongony ireo.
⚖️ Niakatra teo anivon’ny Fampanoavana ny raharaha ny 31 Aogositra 2026, ka naiditra am-ponja vonjimaika ireo olona roa.
✅ Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Polisy miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny UIR Antsirabe izao fahatratrarana izao, ary mbola antsoina hatrany ny fiaraha-miasan’ny olom-pirenena mba hitoroka ireo mpivarotra sy mpanaparitaka zava-mahadomelina.
RONGONY 16 GONY SARON’NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY HETSIKA « MAHOMBY » TAO ANTSIRABE
