👉 Ny Sabotsy 05 Septambra 2026 hariva no nisy Polisimpirenena miasa avy ao amin’ny PPA Ilanivato naratra, voatifitry ny jiolahy, teto am-panatanterahana ny asany raha handeha hamonjy mpiray Tanindrazana teny Ampangabe.
🏥 Nentina haingana teny amin’ny Hopitaly HJRA ilay Polisy naratra, mba hahazoany fitsaboana sy fikarakarana ara-pahasalamana.
🤝 Tonga namangy sy nijery ny fahasalaman’ilay Polisy naratra teny amin’ny Hopitaly HJRA ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHELsy ny vadiny, ny 06 septembra 2026 maraina, raha vao naheno izany tranga izany. Naneho ny fanohanany sy ny firaisankinan’ny Polisy naratra Andriamatoa Minisitra.
⚡ Ny tolakandro indray dia tonga namangy ity Polisy ity ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ireo Polisimpirenena mpira-miasa, notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor.
➡️ Ankoatra izay dia tonga nankahery sy nitsidika azy ihany koa ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Ramatoa Clémence RAHARINIRINA, ireo avy ao amin’ny OMC Antananarivo notarihan’ny Prefe, Andriamatoa ANDRIASY Vonjy Maminjanahary sy ireo solon-tenan’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, nahitàna ny Tafika malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena.
🔎 Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy nahavanon-doza, mba hahafahana misambotra azy ireo ary ho fampiharana ny lalàna amin’ity tranga ity.

