đŸ‘źâ€â™‚ïž Olona telo efa hikoizana amin’ny fanendahana no voasambotry ny Polisy tao Mahajanga, ny marainan’ny Alahady 06 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 02 ora.
âžĄïž Ny roa tamin’izy ireo dia voasambotra tao anaty Bar teny Mahavoky Manainga Zipo, teo am-panomanana ny hanao ny asa ratsiny.
🚔 Nitohy ny fisafoana sy ny fanadihadiana nataon’ireo Polisy ka voasambotra teo Mahavoky Atsimo, ny naman’izy ireo fahatelo, taorian’ny fifanenjehana. Nisy ny fampitandremana tamin’ny tifi-danitra nataon’ny Polisy nahafahana nampijanona azy.
⚠ Etsy ankilany, tovolahy iray antsoina hoe Joda hita nitondra zava-maranitra ary mampihorohoro ireo mpiara-belona no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny UIR, tao Ambalavola, ny andron’io ihany.
đŸ˜”â€đŸ’« Tsy salama saina ity lehilahy ity ary efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny fianakaviany sy ny Fokontany, noho ny fihetsika mampiahiahy sy mampitahotra ny manodidina.
🏣 Taorian’ny fisamborana azy dia nentina tany Androva, ary hatolotra amin’ny mpitsabo ara-tsaina mba hahazoany fitsaboana sy fikarakarana mifanaraka amin’ny toe-javatra misy azy.
🔎 Mitohy ny fanadihadiana sy ny fandraisana andraikitra ataon’ny Polisy, ho fiarovana ny vahoaka sy hitandroana ny filaminana ao Mahajanga.
📱 Miantso ny rehetrara mba hiantso avy hatrany raha misy tranga mampiahiahy eny amin’ny fiarahamonina.

MAHAJANGA : MPANENDAKA MIISA TELO SY LEHILAHY IRAY MARARY SAINA, MAMPIHOROHORO NY MPIARA-BELONA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer