👉 Ady amin’ny halatra isan-karazany
🚔 Nandritra ny fisafoana alina nataon’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny FIP Menabe, ny alin’ny 07 Septambra 2026 tao Morondava, dia naharay fampandrenesana avy amin’ny olon-tsotra tao Namahora Atsimo izy ireo fa nisy olona roa nampiahiahy niezaka niditra tao amin’ny trano iray, nikasa hangalatra kisoa.
🔎 Vantany vao tonga teny an-toerana ny Polisy dia nandositra ireo roalahy. Notohizana ny fikarohana ka hita niafina tao amin’ny toerana iray tao Betela izy ireo.
⚠️ Nandritra ny fisamborana dia tsy nanaiky mora foana izy ireo fa nanohitra ny Polisy ny iray ary namely tamin’ny antsy lava teny aminy ka tamin’zany no nahavoatifitra azy. Ny iray kosa tafaporitsaka ary mbola mitohy ny fikarohana ity farany.
🏥 Efa nahazo fitsaboana moa ity jiolahy ity ary niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisimpirenena.
📢 Manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana mba hitazona ny laharana finday an’ireo mpitandro ny filaminana akaiky azy, sahia mitoroka ireo olon-dratsy miafina anaty fiaraha-monina mba hahafahana mandray andraikitra haingana.
MENABE – NAMAHORA ATSIMO : LEHILAHY IRAY MPANGALATRA KISOA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
