– Ady amin’ny herisetra sy fiarovana ny olona marefo
– Nandray fitoriana mahakasika raharaha herisetra sy vono ary ratra niniana natao ny Kaomisarian’ny Filaminambahoaka Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, ny Talata 04 Aogositra 2026.
– Vehivavy iray no nametraka fitoriana ka nilaza fa niharan’ny herisetra nataon’ny lehilahy iray 72 taona monina ao Vohitranivo, Farafangana.
– Nandray andraikitra ny Polisy nampiantso ilay voarohirohy ka tonga nanoloana ny mpanao famotorana ny Alarobia 05 Aogositra 2026 ny tenany ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’izany.