Ady amin’ny tsy fandriampahalemana ➡️Tovolahy miisa 7, izay mbola misy tsy ampy taona, manao fikambanana andian-jatovo antsoina hoe « Foroche » no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tanambao Soafeno Antsiranana.
