– Zazavavy kely iray izay nolazaina fa tsy hita ny alin’ny 12 Jolay 2026 tao Sambava, hita soa aman-tsara ny marainan’ny 13 Jolay 2026 taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisimpirenena.
– Tao an-tranon’ny namany no nahitana azy. Araka ny fanadihadiana natao, dia nandositra niala tao an-tranon-dreniny izy taorian’ny nibedesan-dreniny azy noho ny resaka vola very sy ny saram-pianarana tsy voaloa.
– Nohamafisin’ny fanadihadiana fa tsy tranga hala-jaza no niseho, fa zaza nandositra niala tao an-tranony.
– Manentana ny Ray aman-dReny sy ny ankizy ny Polisimpirenena ny amin’ny maha zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fifampitokisana ao an-tokantrano mba hisorohana tranga toy izao

 

SAVA : ZAZAVAVY KELY NOLAZAINA FA VERY, HITA SOAMAN-TSARA

Vous pourrez aussi aimer