🔸 Zazalahy iray 14 taona no naterin’ olon-tsotra teny amin’ny Kaomisarian’i Itaosy ny alin’ny 20 Jolay 2026, rehefa hitan’ity farany nirenireny sy nilaza fa tsy nahita lalana hody.
âś…Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy ka nifandray tamin’ny Raibe mitaiza azy.
↔️ Rehefa tonga teny an-toerana ny fianakaviana dia fantatra fa efa nitsoaka ny trano nanomboka ny atoandro ilay zaza ka nokarohin’izy ireo, tsy vao sambany no nanao izany izy.
🤝 Taorian’ny fihainoana sy ny fanamarinana rehetra dia naverina soa aman-tsara teo anivon’ny Reniny sy ny Raibe ary Renibeny izy tamin’io alina io ihany.
đź”·Manentana ny rehetra hatrany ny Polisimpirenena mba hampiroborobo ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana any an-tokantrano raha misy ny olana.
👉Manantona ny Polisimpirenena raha misy ny ilĂ na izany, indrindra amin’ny tranga fahaverezana olona.
ITAOSY : ZAZALAHY 14 TAONA NITSOAKA NY TOKAN-TRANO, NAVERINA TEO AMIN’NY FIANAKAVIANY TAORIAN’NY FANDRAISAN’NY POLISY AN-TANANA
