⚠️ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
🚔 Nifanehatra tamin’ny Polisin’ny UIR Tsaralalàna ity lehilahy iray, rehefa avy nanatanteraka ny asa ratsy teny amin’ny faritra Andohatapenaka sy ny manodidina, ny maraimben’ny Alarobia 02 Septambra 2026.
📞 Tao alohan’izay dia nahazo antso ny Polisimpirenena, izay efa nanao fisafoana teny amin’ny manodidina, fa misy olona iray voendaka, ka nanatona io toerana io avy hatrany ny Polisy.
🚨 Vokany, mbola teo am-pikasana hanendaka olona iray hafa indray ity farany no tra-tehaky ny Polisy nanao fanamiana sivily, izay efa niafina manodidina ny toerana nanaovany ny asa ratsiny, ka vantany vao hamonjy io olona io ilay Polisy manao fanamiana sivily dia nampiasa ny sabatra teny aminy izy, ka maty voatifitra ity farany tao anatin’izany.
👮♂️ Ireo fiara mpitatitra mpiasa alina sy maraim-be amin’ny « call center » ary ireo mpiantsena sy mpivarotra maraina maka entana no lasibatr’ity olon-dratsy ity.
📱 Mbola hita teny aminy moa ireo karazana entana halatra isan-karazany tamin’io fotoana io.
✅ Heverina fa mbola misy naman’ity mpanendaka ity miriaria ary tsy maintsy karohin’ny Polisimpirenena. Manentana ny rehetra ho sahy hitoroka ireo mpanao ratsy hahafahana mametraka fandriam-pahalemana maharitra.
67 HA – ANDOHATAPENAKA : MPANENDAKA RAINDAHINY MALAZA RATSY MATY VOATIFITRY NY POLISIMPIRENENA
