📍 Ady amin’ny asan-jiolahy
🚔 Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisim-pirenena ny alin’ny 02 Septambra 2026 tamin’ny 01 ora, dia nahatsikaritra olona maromaro saika hianika ny sisintambonin’olona tao Sahan’ny Mpanonta, Ambohibary izy ireo.
🪓 Rehefa tonga nanao fanamarinana ny zava-misy ny Polisy dia tsikaritra fa nitondra famaky sy baramina izy ireo. Mbola teo am-panomanana hanao vaky trano sy fiakarana tamboho izy ireo, saingy tsy mbola nahazo entana.
⚠️ Vatany vao nahita ny Polisy dia vaky nandositra ny sasany tamin’izy ireo, ny lehilahy iray teo ampisamborana azy dia nampiasa ny famaky teny aminy ary nanohitra avy hatrany ka voatery niaro tena izy ireo.
👮‍♂️ Nandritra ny fanamarinana ilay jiolahy dia fantatra fa efa mpamerin-keloka ary malaza ratsy amin’ny resaka vaky trano eo amin’ny manodidina, ary efa nigadra imbetsaka noho ny raharaha heloka bevava.
🏃‍♂️ Mbola manohy ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka ny Polisimpirenena any an-toerana.

 

AMORON’I MANIA: MPAMAKY TRANO SAIKA HANATANTERAKA NY ASA RATSINY LAVON’NY BALAN’NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer