✅ Fiarovana ny vahoaka sy ny fananany
👮‍♂️ Lehilahy miisa roa nangalatra finday tao amina toeram-pivarotana iray no voasambotry ny Polisin’ny fifamoivoizana miasa ao amin’ny Kaomisaria Foibe Morondava tao amin’ny Bazar Morondava afivoany ny 10 Oktobra 2026.
📱 Nandritra ny fisavàna azy ireo dia mbola tratra tany aminy ilay finday very.
🎯 Milaza fa hividy ny iray ka nangataka hijery ilay finday. Ny iray hafa kosa nanararaotra ilay mpivarotra variana ka nampiditra azy tao am-paosy.
⚖️ Tazonina ao amin’ny biraon’ny Polisy ao Morondava izy roa lahy hanaovana fanadihadiana alohan’ny anolorana azy ireo eo anivon’ny Fampanoavana

MORONDAVA : ROALAHY MPANGALATRA FINDAY, MODY MIFANGARO AMIN’NY MPIANTSENA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer