– Ady amin’ny herisetra.
– Ao anatin’ny ezaka fampahafantarana sy fanentanana ny tanora momba ny fiarovana ny zon’ny tsirairay, dia nanatanteraka hetsika fanentanana ho an’ireo mpianatra ny 13 Novambra 2026, ny BFP Tsaralalàna (Brigade féminine de Proximité) sy ny CSP Itaosy, niaraka tamin’ny fikambanana VINA.
– Tao amin’ny sekoly Cours Éducatif ACEEM Itaosy sy tao amin’ny Lycée Anglican Albert Rakoto Ratsimamanga, Antanetibe Itaosy no nanatanterahana izany.
– Ny lohahevitra novoizina dia ny « Ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy », izay natao hampahafantarana ireo mpianatra ny endrika isehoan’izany herisetra izany sy ny maha-zava-dehibe ny fisorohana azy.
– Tsapa fa tena liana amin’ny fifampizaràna ireo mpianatra ary tanjona ny hampitombo ny fahalalan’izy ireo sy hampiroborobo ny fanajana ny zon’ny tsirairay, mba hisian’ny tontolo azo antoka sy tsy anjakan’ny herisetra.


