– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
– Ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fandriam-pahalemana eto Antananarivo Renivohitra dia manohy ny fisafoana sy ny fanaraha-maso ireo toeram-pisotroana sy toeram-pialamboly ny Polisimpirenena, mba hahazoana antoka fa hajaina ny fandaminana sy ny ora fikatonana ara-dalàna.
– Nandritra ny fidinana ifotony notarihin’ny Lehiben’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys, sy ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo I, Andriamatoa ANDRIANDRAINY.
– Ny Sabotsy 14 Novambra 2026 dia nisy ny fepetra norasin’ny tompon’andraikitra mifanaraka amin’ny lalàna ho an’ireo ninia nandika izany.
– Ankoatra ny fampanajana ny lalàna sy ny fandaminana ; natao indrindra izao hetsika izao mba hametrahana filaminana, hampiroboroboana ny fifanajana eo amin’ny samy olom-pirenena ary hiantohana ny fandriam-pahalemana maharitra eto an-drenivohitra.


