FILAZANA FIKAROHANA:RABETSAROANA HAJATIANA

Ity olona hita amin’ny sary ity dia manan-draharaha eny anivon’ny Polisimpirenena. Koa hiangaviana izay mahafantatra azy na mahalala ny toerana misy azy mba hanatona ny biraon’ny Polisy akaiky indrindra na ihany koa iantso ny laharana finday ny Paositry ny Polisy

FIANARANTSOA : OLONA DIMY (05) VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY HETSIKA MAHOMBY NOHO NY HALATRA SY VAKY TRANO ARY NY HAROM-PAOSY, NIDOBOKA AM-PONJA AVOKOA

– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra. – Mitohy ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Tao anatin’ny hetsika « MAHOMBY » dia nahitana vokatra tsara teo amin’ny ady amin’ny vaky trano, halatra biby fiompy ary