– Polisim-pirenena miady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
– Taorian’ny vaovao azo avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy lehilahy iray mitazona zava-mahadomelina mahery vaika eny Mahamasina, nanatanteraka fidinana ifotony ho fanadihadihana momba izany ny rantsana miady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao amin’ny Polisy ekonomika eo ambany fibaikoan’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga.
– Rehefa naraha-maso tokoa ity lehilahy ary nosamborina natao famotorana dia niaiky fa mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika izy.
– Nanondro ny vehivavy iray mpiray tsikombakomba aminy izy ka voasambotra ihany koa ilay ramatoa, tratra tany aminy ny zava-mahadomelina maromaro karazana izay tsy maintsy mbola hatao fitsirihana avokoa.
– Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ahafantarana ireo olona hafa mety mbola ho voasaringotra amin’izany.
– Ny Polisimpirenena dia tsy mikely soroka amin’ny famongorana ny zava-mahadomelina mahery vaika tahaka izao. Raisina an-tanan-droa ary tanana ho tsiambaratelo tanteraka ny fitorohana avy amin’ny mpiray Tanindrazana momba itony zava-doza ho an’ny taranaka itony.
