– Tonga nitsidika ny Kaomisaria Foibe sy ny Tobin’ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisimpirenena (FIP) ao Toamasina ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, ny 11 Jolay 2026.
– Nandritra izany dia nihaona tamin’ireo Polisimpirenena miasa ao Toamasina izy ka nisaotra sy nankahery azy ireo noho ny fahavononany manatanteraka ny adidy aman’andraikitra sahaniny sy ny ezaka ataony amin’ny fiantohana ny filaminam-bahoaka. Nanome toromarika hentitra ho an’ireo Polisimpirenena izy amin’ny fanamafisana ireo paikady entina mametraka ny filaminana.
– Nitsidika ireo asa fanarenana sy fanamboarana tanterahina ao amin’ny Tobin’ny FIP Verrerie ihany koa ny Minisitra, taorian’ny fahasimbana nateraky ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.
-POLISIMPIRENENA: Miaro sy manampy ny vahoaka.




